- Ary ny Tompo hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin'ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
- Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah?
Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika? - Mianara hanao ny tsara,
Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory,
Omeo rariny ny kamboty,
tsarao ny adin'ny mpitondratena. - Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony,
ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy. - Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy,
dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho. - Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany;
Ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy;
Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy. - Ka dia mitandrina ny lalan'ny fahamarinana Izy
Ary miambina ny lalan'ny olony masina. - Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory. Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony.
- Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery;
Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa. - Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko;
aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva. - Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
- Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany.
- Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an'ny mahantra,
ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana Izy. - Izy mitahiry fanambinana ho an'ny mahitsy
Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny. - Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy,
dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho. - Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy,
fa manafaha anay amin'ny ratsy. - Tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
- Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina;
fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe. - Jehovah miaro ny vahiny
Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena,
Fa mamadika ny lalan'ny ratsy fanahy kosa. - Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah.
- Fa Hianao mampirehitra ny jiroko;
Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako. - Mitadiava an'i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany,
Izay efa nanaraka ny fitsipiny:
Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana;
Angamba ho voafina ianareo
amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah. - Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy;
Hotsarovana mandrakizay ny marina.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Filaminana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Faharatsiana
Aza mety ho resin'ny...
Fahatokisana
Matokia an'i Jehovah amin'ny...
Tenin'Andriamanitra
Izay soratra rehetra nomen'ny...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo:Rainay Izay any an-danitra,
hohamasinina anie ny anaranao.
Ho tonga anie ny fanjakanao.
Hatao anie ny sitraponao
etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,Ary tsy misy voany ny voaloboka,
Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva,
Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha,
Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala,
Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany
Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.Andinin-teny manaraka !
