Toy ny tsy ahafantaranao ny amin'ny alehan'ny rivotra, na ny amin'ny fitombon'ny taolana ao an-kibon'izay manan'anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.
Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.