Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain'i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena.
Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao; Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao; Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.