Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin'olona amin'ny namany ianareo, Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rà marina amin'ity tany ity, sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo, Dia hamponeniko amin'ity tany ity ihany ianareo, dia eto amin'ny tany nomeko ny razanareo, hatramin'ny ela ka ho mandrakizay.
Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin'ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.
Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao.
Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.