DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Salamo 25:8-9

Tsara sy mahitsy Jehovah,
ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy,
ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
Salamo 25:8-9 - MG1865

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah,
dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy,
izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha,
ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro,
sady ho maitso ny raviny,
ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro,
fa tsy hitsahatra ny famoany.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana