- Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô;
ampianaro ny sitrakao aho. - Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro;
fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy;
Hianao no andrasako mandritra ny andro. - Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô,
fa hatrizay hatrizay ireny.
Aza ny fahotan'ny fahatanorako,
na ny ratsy nataoko, no tsarovanao;
fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy,
noho ny fahasoavanao Jehovah ô. - Tsara sy mahitsy Jehovah,
ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy,
ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Mianatra
Hanome saina anao sy...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fahamarinana
Izay mandeha tsy misy...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Famonjena
Ary tsy misy famonjena...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...