- Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.
- Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin'ny vato fisaka roa ireo.
- Kanefa any ianao no hitady an'i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
- Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.
- Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fankatoavana
Jesosy namaly ka nanao...
Fanarahana
Fa ny lalana rehetra...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Fifanarahana
Koa aoka ho fantatrao...
Valisoa
Ary na inona na...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Eny, na dia mandeha mamakyny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
dia tsy hatahotra ny loza aho,
fa Hianao no amiko;
ny tsorakazonao sy ny tehinao,
ireo no mahafa-tahotra ahy.Andinin-teny manaraka !
