- Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
- Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.
- Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany; na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany.
- Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.
- Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Izao tontolo izao
Aza tia izao tontolo...
Fanjakana
Moa tsy fantatrareo va...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Fiakarana
Ary rehefa nilaza izany...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho;hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.Andinin-teny manaraka !
