Ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena. Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony; ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany. Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao.

Lohahevitra mifandraika amin'izany
Sampy
Anaka, arovy ny tenanareo...
Firaisana ara-nofo
Fa izao no sitrapon'Andriamanitra...
Faniriana
Fa hoy izaho: Mandehana...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho;Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao;
Mampahery anao Aho sady mamonjy anao;
Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.Andinin-teny manaraka !