- Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
- Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha.
- Tandremo tsara ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao.
- Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin'izao anio izao.
- Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fankatoavana
Jesosy namaly ka nanao...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Zaza
Nefa Jesosy kosa nanao...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Aoka ny masonao hijery mahitsy,Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana;Afehezo eo am-bozonao izany,
Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,
Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara
Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.Andinin-teny manaraka !
