- Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.
- Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.
- Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany.
- Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny;
tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy;
lahy sy vavy no namoronany azy. - Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany.
- Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Famoroana izao tontolo izao
Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Mamoa
Hotahina izay olona matoky...
Fanahy
Ary ny Tompo izany...
Lanitra
Fa ny tenan'ny Tompo...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano,ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.