DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Kolosiana 2

  • Mba hampifalina ny fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny fitiavana sy ho amin'ny haren'ny fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina, ho amin'ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy.
  • Fa ao amin'ny tenany no itoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra; ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra.
  • Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah,
dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy,
izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha,
ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro,
sady ho maitso ny raviny,
ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro,
fa tsy hitsahatra ny famoany.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana