DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Kolosiana 2

  • Mba hampifalina ny fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny fitiavana sy ho amin'ny haren'ny fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina, ho amin'ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy.
  • Fa ao amin'ny tenany no itoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra; ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra.
  • Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy.