- Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona.
- Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.
- Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
- Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.
- Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?
- Fa ho avy ny Zanak'olona amin'ny voninahitry ny Rainy, mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Izao tontolo izao
Aza tia izao tontolo...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Mesia
Ary hoy Jesosy taminy...
Fiangonana
Ary aoka isika hifampandinika...
Fiaraha-monina
Ary aoka isika hifampandinika...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin'ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy,Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.Andinin-teny manaraka !
