- Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin'ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan'ny Raiko Izay any an-danitra.
- Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao.
- Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin'ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.
- Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho.
- Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va? Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Mihaino
Fantatrareo izany, sy rahalahy...
Fiangonana
Ary aoka isika hifampandinika...
Anjely
Ary ataonao va fa...
Lanitra
Fa ny tenan'ny Tompo...
Ray
Tahaka ny fiantràn'ny ray...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana;Vonjeo aho, dia ho voavonjy;
Fa Hianao no fiderako.Andinin-teny manaraka !
