- Mainka fa ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin'ny asa maty mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona.
- Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay.
- Ary saiky diovina amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
- Dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Sorona
Tsy misy manana fitiavana...
Rà
Sady nahafaka antsika tamin'ny...
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Fanahy
Ary ny Tompo izany...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao;mitady Anao fatratra aho;
mangetaheta Anao ny fanahiko,
maniry Anao ny nofoko,
eto amin'ny tany maina
sy mangentana tsy misy rano.Andinin-teny manaraka !
