- Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra.
- Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.
- Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.
- Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
- Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.
- Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy.
- Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany.
- Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
- Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fahaterahana indray
Koa raha misy olona...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Famonjena
Ary tsy misy famonjena...
Fanjakana
Moa tsy fantatrareo va...
Fanahy
Ary ny Tompo izany...
Fiainana mandrakizay
Ary Izaho manome azy...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina,ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.