- Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?
- Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
- Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
- Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.
- Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?
- Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.
- Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
- Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
- Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.
- Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Ray
Tahaka ny fiantràn'ny ray...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Izao tontolo izao
Aza tia izao tontolo...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Eny, na dia mandeha mamakyny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
dia tsy hatahotra ny loza aho,
fa Hianao no amiko;
ny tsorakazonao sy ny tehinao,
ireo no mahafa-tahotra ahy.
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly
Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah,dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy,
izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha,
ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro,
sady ho maitso ny raviny,
ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro,
fa tsy hitsahatra ny famoany.Andinin-teny manaraka !