- Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy.
- Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.
- Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany.
- Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra.
- Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo.
- Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?
- Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay mankahala anareo; misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo.
- Omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.
- Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very.
- Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Krisimasy
Ka hiteraka Zazalahy izy...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Famerim-berenana
Raha ny oloko izay...
Tahotra
Aza matahotra ianao, fa...
Fahagagana
Fa Jesosy nijery azy...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Fa raha ny ratsy fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika,fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
Vaovao isa-maraina izany;
lehibe ny fahamarinanao.Andinin-teny manaraka !
