- Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy.
- Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.
- Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany.
- Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra.
- Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo.
- Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?
- Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay mankahala anareo; misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo.
- Omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.
- Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very.
- Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Krisimasy
Ka hiteraka Zazalahy izy...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Famerim-berenana
Raha ny oloko izay...
Tahotra
Aza matahotra ianao, fa...
Fahagagana
Fa Jesosy nijery azy...
