- Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.
- Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.
- Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra.
- Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?
- Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy.
- Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra.
- Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.
- Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina.
- Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.
- Koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Famonjena
Ary tsy misy famonjena...
Fahagagana
Fa Jesosy nijery azy...
Fitoriana ny Filazantsara
Fa izao no nandidian'ny...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...