- Fa hatramin'ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona. Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary ho nofo iray izy roroa; ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany. Koa izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona.
- Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra.
- Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
- Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
- Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Famonjena
Ary tsy misy famonjena...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Fanambadiana
Izay lehilahy mahazo vady...
Vatana
Ahoana ary? Moa tsy...
Firaisana ara-nofo
Fa izao no sitrapon'Andriamanitra...
Fahagagana
Fa Jesosy nijery azy...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo,dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny fanahiko;avy aminy ny famonjena ahy.Andinin-teny manaraka !