- Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.
- Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.
- Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.
- Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.
- Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.
- Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Fanetren-tena
Amin'ny fanetren-tena rehetra sy...
Fanompoana
Koa amin'izany, ry rahalahy...
Manaraka
Ary ny faharoa dia...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanandevozana
Ho amin'ny fahafahana no...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Fa fantatsika fa raha ravana ny trano-laintsika etỳ an-tany, dia manana izay voarafitr'Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana;Afehezo eo am-bozonao izany,
Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,
Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara
Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.Andinin-teny manaraka !