- Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
- Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
- Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy.
- Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany.
- Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
- Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara Azy.
- Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Tenin'Andriamanitra
Fa velona sy mahery...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Ray
Tahaka ny fiantràn'ny ray...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Famoroana izao tontolo izao
Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...