- Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra. Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa.
- Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.
- Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.
- Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.
- Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.
- Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany.
- Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.
- Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
- Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
- Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.
- Raha halan'izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.
- Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Mamoa
Hotahina izay olona matoky...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fankatoavana
Jesosy namaly ka nanao...
Tenin'Andriamanitra
Fa velona sy mahery...
Valisoa
Ary na inona na...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao?Jehovah, Tompon'ny maro,
Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.