DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

1 Tesaloniana 4

  • Fa izao no sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana, mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin'ny fahamasinana sy ny voninahitra, tsy amin'ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an'Andriamanitra.
  • Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy hiaraka aminy.
  • Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany;
Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana