DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Salamo 19

  • Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra;
    ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany.
    Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy,
    ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy.
  • Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah,
    mamelombelona ny fanahy;
    mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah,
    mahahendry ny kely saina.
  • Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo;
    madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso.
  • Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko
    samy hankasitrahana eo imasonao,
    Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô,
araka ny fahasoavanao;
araka ny haben'ny fiantranao
vonoy ny fahadisoako.
Sasao madio aho mba ho afa-keloka,
ary diovy aho mba ho afa-pahotana.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana