- Mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô.
Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy;
Andriamanitro, vatolampy ialofako,
sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy. - Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah,
eny, Andriamanitro no nitarainako;
nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy,
ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny. - Ny olona tsara no isehoanao fa tsara;
ny tena olo-marina no isehoanao fa marina. - Fa Hianao mampirehitra ny jiroko;
Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako. - Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany;
ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy;
Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy. - Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah?
ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika? - Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao;
ny tananao ankavanana no manohana ahy,
ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
Halalahinao ny lalana hodiaviko,
ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fiarovana
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra...
Famonjena
Ary tsy misy famonjena...
Tanjaka
Aza matahotra ianao, fa...
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Lafatra
Izay mandeha tsy misy...
Tenin'Andriamanitra
Fa velona sy mahery...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka;Fa ao amin'ny manetry tena no misy fahendrena.Andinin-teny manaraka !