- Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika,
fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
Vaovao isa-maraina izany;
lehibe ny fahamarinanao. - Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko,
ka dia hanantena Azy aho. - Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay,
eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby. - Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika
ka hiverina indray amin'i Jehovah.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Mamindra fo
Ary aoka samy halemy...
Mahatoky
Ny famindram-pon'i Jehovah no...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Fitiavan-karena
Fa tsy nitondra na...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy hiaraka aminy.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAndroid-appAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,Ary tsy misy voany ny voaloboka,
Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva,
Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha,
Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala,
Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany
Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.Andinin-teny manaraka !