Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo.
Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao.