- Satroboninahitry ny antitra ny zafiny;
Ary voninahitry ny zanaka ny rainy. - Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala,
Koa mainka fa tsy tokony ho an'ny zanak'andriana ny molotra mandainga. - Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka;
Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza. - Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin'ny andro rehetra,
Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin'ny fahoriana. - Ny fo ravoravo mahasalama tsara;
Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana. - Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry,
Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fahendresena
Fa Jehovah no manome...
Lahateny
Ny mahafaty sy ny...
Namana
Izay tena sakaiza tokoa...
Zaza
Nefa Jesosy kosa nanao...
Lainga
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny,Katsaho mandrakariva ny tavany.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,Ary tsy misy voany ny voaloboka,
Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva,
Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha,
Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala,
Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany
Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.Andinin-teny manaraka !
