- Ny adala tsy mba finaritra amin'ny fahalalana,
Fa ta-haneho izay ao am-pony. - Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana,
Ary ny vavany mihantsy kapoka. - Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py
Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra. - Ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy;
Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy. - Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy,
Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany. - Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny fahasimbana;
Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra. - Ny fanomezan'ny olona dia mahalalaka ny alehany,
Hahatonga azy eo anatrehan'ny lehibe. - Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela,
Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany. - Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa
Sady mahita sitraka amin'i Jehovah. - Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana;
Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lahateny
Ny mahafaty sy ny...
Fahendresena
Fa Jehovah no manome...
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...
Fitiavan-tena
Tsy manao na inona...
Fitabatabana
Ny mpivadibadika mamafy ady...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Jehovah ô, efa nandinika ahyHianao ka mahalala ahy.
Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako
Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko,dia mbola vatolampin'ny foko
sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.Andinin-teny manaraka !
