- Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao.
- Dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina.
- Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany.
- Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema.
- Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin'ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly, tsy hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin'ny zavatra rehetra.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Famonjena
Ary tsy misy famonjena...
Fahasoavana
Koa aoka isika hanatona...
Izao tontolo izao
Aza tia izao tontolo...
Mpidoroka
Ny zavatra rehetra azoko...
Fifehezan-tena
Tanàna rava tsy misy...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza,Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.Andinin-teny manaraka !
