- Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
- Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
- Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola.
- Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.
- Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina.
- Ary ny Tompo hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin'ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
- Mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
- Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
- Mahatoky izao teny izao:
Fa raha miara-maty aminy isika,
dia hiara-belona aminy koa. - Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Tanjaka
Aza matahotra ianao, fa...
Tenin'Andriamanitra
Fa velona sy mahery...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Asa
Ary na inona na...
Fahasoavana
Koa aoka isika hanatona...