- Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany.
- Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy amin'ny alahelo, na amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra.
- Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra.
- Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo.
- Dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin'ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Manomeza
Aoka ny olona rehetra...
Fahalalahan-tanana
Izay manisy soa olona...
Fijinjana
Ary Izay manome voa...
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...
Fifaliana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Fo
Tandremo ny fonao mihoatra...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,Ary tsy misy voany ny voaloboka,
Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva,
Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha,
Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala,
Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany
Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.Andinin-teny manaraka !
