- Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay;
ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay. - Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano.
- Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo;
madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso. - Ary noho ny fitahian'Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin'ny kely na amin'ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain'ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy, fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa.
- Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fitoriana ny Filazantsara
Fa izao no nandidian'ny...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Famonjena
Ary tsy misy famonjena...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny,Katsaho mandrakariva ny tavany.
