DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Fankatoavana (4/4)

  • Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra.
  • Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy.
  • Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako;
    ary ny lalanao no ato anatiko.
  • Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna,
    Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
  • Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany.
  • Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra. Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa.
  • Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin'ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.
  • Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin'izao anio izao.
  • Ho an'izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay.
  • Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao;
mitady Anao fatratra aho;
mangetaheta Anao ny fanahiko,
maniry Anao ny nofoko,
eto amin'ny tany maina
sy mangentana tsy misy rano.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana