- Raha mivoady amin'Andriamanitra ianao, aza manao ampitso lava: fa tsy ankasitrahany ny adala; koa efao ny voadinao.
- Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin'ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.
- Raha mitombo ny fananana, dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon'ny tompony, afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany?
- Toy ny nivoahany mitanjaka avy tany an-kibon-dreniny, dia toy izay nihaviany ihany no hiverenany; ary tsy hisy na inona na inona ho entin'ny tànany ho valin'ny fisasarany.
- Indro, efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin'ny fisasarana rehetra izay isasaran'ny olona atỳ ambanin'ny masoandro amin'izay andro vitsy iainany omen'Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.
- Ary koa, ny olona rehetra izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin'ny fisasarana, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Vola
Aoka tsy ho amin'ny...
Fitiavan-karena
Fa tsy nitondra na...
Fitiavan-bola
Izay tia vola tsy...
Hanina
Fa mahafa-po ny fanahy...
Asa
Ary na inona na...
Fahazoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Sambatra ianareo, raha halan'ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'olona.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAndroid-appAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho;Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao;
Mampahery anao Aho sady mamonjy anao;
Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.Andinin-teny manaraka !