- Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany.
- Ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna.
- Koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra, ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
- Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay; fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika.
- Fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Valisoa
Ary na inona na...
Tanjaka
Aza matahotra ianao, fa...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fahazoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Faniriana
Fa hoy izaho: Mandehana...
Izao tontolo izao
Aza tia izao tontolo...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAndroid-appAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,Ary tsy misy voany ny voaloboka,
Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva,
Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha,
Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala,
Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany
Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.Andinin-teny manaraka !