- Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.
- Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy.
- Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany.
- Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy.
- Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.
- Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.
- Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin'izao tontolo izao.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fijinjana
Ary Izay manome voa...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Manaraka
Ary ny faharoa dia...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Fakam-panahy
Tsy misy fakam-panahy nahazo...
Faniriana
Fa hoy izaho: Mandehana...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô.Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy;
Andriamanitro, vatolampy ialofako,
sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra;Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra,
Hatramin'izao ka ho mandrakizay.Andinin-teny manaraka !
