- Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.
- Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy.
- Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany.
- Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy.
- Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.
- Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.
- Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin'izao tontolo izao.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fijinjana
Ary Izay manome voa...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Manaraka
Ary ny faharoa dia...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Fakam-panahy
Tsy misy fakam-panahy nahazo...
Faniriana
Fa hoy izaho: Mandehana...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah,dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy,
izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha,
ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro,
sady ho maitso ny raviny,
ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro,
fa tsy hitsahatra ny famoany.Andinin-teny manaraka !
