DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Habakoka 3

  • Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,
    Ary tsy misy voany ny voaloboka,
    Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva,
    Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha,
    Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala,
    Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
    Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany
    Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.
  • Jehovah Tompo no tanjako,
    Ary manao ny tongotro ho toy ny an'ny dieravavy Izy
    Ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana