DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Habakoka

  • Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,
    Ary tsy misy voany ny voaloboka,
    Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva,
    Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha,
    Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala,
    Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
    Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany
    Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.
  • Jehovah Tompo no tanjako,
    Ary manao ny tongotro ho toy ny an'ny dieravavy Izy
    Ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako.
  • Indro, feno avonavona ny fanahin'ireny,
    fa tsy mahitsy ao anatiny,
    Fa ny marina ho velon'ny finoany.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana