- Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah,
dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy,
izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha,
ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro,
sady ho maitso ny raviny,
ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro,
fa tsy hitsahatra ny famoany. - Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra
sady manana aretina tsy azo sitranina;
Iza moa no mahafantatra ny aminy?
Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa,
mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy,
dia araka ny vokatry ny asany. - Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana;
Vonjeo aho, dia ho voavonjy;
Fa Hianao no fiderako.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fahatokisana
Matokia an'i Jehovah amin'ny...
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...
Mamoa
Hotahina izay olona matoky...
Valisoa
Ary na inona na...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fo
Tandremo ny fonao mihoatra...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelonyKa mitady Azy amin'ny fo rehetra.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho;Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy;
Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may,
Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo.Andinin-teny manaraka !
