- Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy;
iza no hatahorako?
Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko;
iza no hangovitako? - Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza,
tsy hatahotra ny foko;
na dia misy ady mihatra amiko aza,
dia hatoky ihany aho. - Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah,
izany no hotadiaviko,
dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah
amin'ny andro rehetra hiainako,
mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah
sy mandinika ny tempoliny. - Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah
amin'ny tanin'ny velona. - Miandrasa an'i Jehovah ianao;
matokia, ary aoka hahery ny fonao;
eny, miandrasa an'i Jehovah.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fahatokisana
Matokia an'i Jehovah amin'ny...
Filaminana
Fa mahatoky ny Tompo...
Tahotra
Aza matahotra ianao, fa...
Fahazavana
Mitsangàna, mihazavà, fa tonga...
Fo
Tandremo ny fonao mihoatra...
Ady ara-panahy
Mifahara ary, ka sikino...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;
Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.Andinin-teny manaraka !
