Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy.
Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.
Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy hiaraka aminy.
Fa ny lalana rehetra izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo.