- Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy?
Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao;
Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho,
avy amiko no hahazoana ny vokatrao.
Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany?
Na manan-tsaina mba hahalala izany?
Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah,
ary ny marina no mizotra eny aminy;
Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy. - Mitondrà teny ianareo,
eny, miverena amin'i Jehovah,
ka manaova aminy hoe:
Mamelà ny heloka rehetra,
ary raiso izay tsara,
ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray. - Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy;
Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony;
Koa izany no nanadinoany Ahy. - Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao
hatrany amin'ny tany Egypta,
ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao,
sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fahendresena
Fa Jehovah no manome...
Mahatakatra
Antsoy Aho, dia hovaliako...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Fiovam-po
Raha ny oloko izay...
Famelàn-keloka
Izay te-ho be fitiavana...
Fitiavan-karena
Fa tsy nitondra na...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy,Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.Andinin-teny manaraka !
