- Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina;
Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina,
ary ny mazava mitoetra ao aminy. - Koa amin'izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin'ny fiavonavonana dia hainy aetry.
- Tsy nihinana hanim-py aho, sady tsy nanendry hena na divay ny vavako, ary tsy nihosotra diloilo akory aho ambara-pahatapitry ny roatokom-bolana mipaka.
- Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako,
satria nomenao fahendrena sy hery aho,
ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao;
fa nampahafantarinao anay ilay nofin'ny mpanjaka. - Efa nanota izahay sady nanao meloka ary nanao ratsy sy niodina, eny, efa niala tamin'ny didinao sy ny fitsipikao izahay.
- Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fahendresena
Fa Jehovah no manome...
Andriamanitra lehibe
Anao, Jehovah ô, ny...
Faharatsiana
Aza mety ho resin'ny...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho;hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.Andinin-teny manaraka !
