DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Hosea

  • Mitondrà teny ianareo,
    eny, miverena amin'i Jehovah,
    ka manaova aminy hoe:
    Mamelà ny heloka rehetra,
    ary raiso izay tsara,
    ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray.
  • Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy;
    Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony;
    Koa izany no nanadinoany Ahy.
  • Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy?
    Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao;
    Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho,
    avy amiko no hahazoana ny vokatrao.
    Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany?
    Na manan-tsaina mba hahalala izany?
    Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah,
    ary ny marina no mizotra eny aminy;
    Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.
  • Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao
    hatrany amin'ny tany Egypta,
    ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao,
    sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy;
Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako. Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tanan'ny Ray. Izaho sy ny Ray dia iray ihany.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana