- Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy,
Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. - Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany,
ary ny tsy marina hahafoy ny heviny;
ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny,
fa hamindra fo aminy Izy,
Eny, ho amin'Andriamanitsika,
fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy. - Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo
ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. - Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany
no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo
sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. - Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Eritreritra
Diniho aho, Andriamanitra ô...
Fandrindrana
Ankino amin'i Jehovah ny...
Mitady
Ary hitady Ahy ianareo...
Manodidina
Jehovah momba anareo, raha...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Fiovam-po
Raha ny oloko izay...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Raha be ny ahiahy ato anatikoDia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.Andinin-teny manaraka !
