- Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra.
- Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon'Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.
- Mandoava amin'izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana'tahotra ho an'izay tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina.
- Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
- Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr'olona, mbamin'izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin'izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
- Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.
- Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanaovana ny marina
Anaka, aoka tsy ho...
Vola
Aoka tsy ho amin'ny...
Trosa
Misambotra ny ratsy fanahy...
Manaraka
Ary ny faharoa dia...