- Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.
- Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.
- Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy.
- Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
- Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.
- Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra.
- Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.
- Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.
- Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
- Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany.
- Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.
- Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.
- Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.
- Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fankatoavana
Jesosy namaly ka nanao...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Eritreritra
Diniho aho, Andriamanitra ô...
Fiaraha-monina
Ary aoka isika hifampandinika...
Fiankinan-doha
Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin'ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza,Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.Andinin-teny manaraka !