- Jehovah ô, efa nandinika ahy
Hianao ka mahalala ahy.
Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako
Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. - Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao
eo amin'ny lelako, Jehovah ô. - Aiza no hialako amin'ny Fanahinao?
Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao;
Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao. - Fa Hianao no nahary ny voako;
Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.
Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy;
Mahagaga ny asanao;
Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. - Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko;
Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;
Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko,
Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Eritreritra
Diniho aho, Andriamanitra ô...
Mahatakatra
Antsoy Aho, dia hovaliako...
Mitady
Ary hitady Ahy ianareo...
Lahateny
Ny mahafaty sy ny...
Andriamanitra lehibe
Anao, Jehovah ô, ny...
Fanahy
Ary ny Tompo izany...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Eny, na dia mandeha mamakyny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
dia tsy hatahotra ny loza aho,
fa Hianao no amiko;
ny tsorakazonao sy ny tehinao,
ireo no mahafa-tahotra ahy.Andinin-teny manaraka !
